2 Corinthians 3

1Hanomboka hidera-tena indray ve izahay? Izahay dia tsy mila ireo taratasy fanamarianana aminareo na avy aminareo, toy ny olona sasany, sa tsy izany? 2Ny tenanareo no taratasy fanamariananay, izay voasoratra ao am-pontsika, izay fantatra ary vakian’ny olona rehetra. 3Ianareo dia maneho fa taratasy fanambarana avy amin’i Kristy, izay natolontsika. Izany dia tsy voasoratra tamin’ny ranomainty fa tamin’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona. Izany dia tsy voasotratra teo amin’ny takela-bato, fa teo amin’ny takelaky ny fon’ny olombelona.

4Ary izany no toky izay ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. 5Isika dia tsy mahefa amin’ny tenantsika mba handray na inona na inona izay avy amintsika. Fa kosa, ny fahefantsika dia avy amin’Andriamanitra. 6Andriamanitra no nanao antsika mba ho mpanompon’ny fanekena vaovao. Izany dia fanekena tsy avy amin’ny soratra fa an’ny Fanahy. Fa ny soratra mamono, ary ny Fanahy manome aina.

7Ary ny asa izay niteraka fahafatesana - dia voasoratra teo ambonin’ny vato - dia tonga tamim-boninahitra lehibe ka ny vahoakan’Israely dia tsy afaka nibanjina ny tavan’i Mosesy. Izany dia noho ny voninahitry ny tavany, ny voninahitra izay nihalevona. 8Ho voninahitra lehibe toy ny ahoana ny asa izay ataon’ny Fanahy?

9Fa raha nanana voninahitra ny asan’ny fanamelohana, dia ho toy ny ahoana ny fitomboan’ny voninahitry ny asan’ny fahamarinana! 10Satria tokoa, izay nomena voninahitra indray mandeha dia tsy hanam-boninahitra intsony amin’izany fomba izany, noho ny voninahitra izay mampitombo izany. 11Fa raha izay nandalo fotsiny no nanana voninahitra, dia tsy hanana voninahitra mihoatra noho izany ve izay maharitra!

12Satria manana toky tahaka izany isika, dia sahy tokoa. 13Isika dia tsy tahaka an’i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ny voaly, mba tsy hahafahan’ny vahoakan’Israely mijery azy mivantana amin’ny fiafaran’ny voninahitra izay nandalo ihany.

14Fa ny sain’izy ireo dia donto. Na dia mandrak’ankehitriny izany voaly izany dia mbola mijanona eo amin’ny famakiana ny fanekena taloha. Tsy misokatra izany, satria ao amin’i Kristy ihany izany no esorina. 15Nefa na dia ankehitriny aza, na rahoviana na rahoviana no vakiana ny lalàn’i Mosesy, dia manarona ny fon’izy ireo ny voaly. 16Nefa raha mitodika amin’ny Tompo ny olona, dia esorina ny voaly.

17Ary ny Tompo dia Fanahy. Izay misy ny Fanahin’ny Tompo, dia misy fahafahana. Ary isika rehetra, tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo. Isika dia efa voaova ho ao amin’ny voninahitra mitovy izay avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, izay avy amin’ny Tompo, izay tsy iza fa ny Fanahy.

18

Copyright information for PltULB